Está en la página 1de 11

Fig.

4 In lavakombarika, pagina 40
MIANDRY RAZANA

Mafy indrindra ny mahazo anay mirahavavy isak’izay irahin’i Nenibe hividy laoka ao

amin’Ingahy Rabeso mpivaro-kena ao an-tampo-tànan’Ambohimangidy, vohitra ipetrahanay.

Misy hena vao indroa isan-kerinandro ao.

Tsy fantatray izay mahatonga izany fa tena tsy tian’Ingahy Rabeso izahay mirahavavy.

Izahay koa tsy tia azy rahateo satria menamena ny masony ary manao saoka roa izy, ny feony

midoboa be sady mitreron-dava. Nony injay manondro ny hena tadiavinay izahay dia

kapohiny amin’ny rambo’ommby ny tananay. Asainy lazaina fotsiny izay tadiavina fa tsy

avelany hokasihina mihitsy ny hena. Ny mpividy hafa, anefa, tsy mba nampanionona azy

akory na dia mamadibadika ny tokon-kena amin’ny tananay aza. Tsy vitan’izany fa fara-olona

foana izahay vao omeny. Izay tonga aorianay dia omeny alohanay.

Sosotra ery izahay mitaraina amin’i Nenibe noho izany, kanefa, mihomehy fotsy i

Nenibe, Indray mandeha, raha loky toy ny fanaony izy dia nanontanianay izay antony

ihomehezany toy izao.

Eisy e, hoy iey, tantara fahiny efa ela be no mampihomehy ahy.

Mba nisy resadresakay mirahavavy ihany toy izao: “Angamba naka vady an’i Nenibe

Ingahy Rabeso fahiny ka tsy nahazo hany ka najary tsy tianay?”.

Soa ihany, lahy, hoy ny bitsikay, fa tsy nanaiky i Nenibe satria tsy mety mihitsy izany: i

Nenibe dia tsara tarehy, tsotra malama ny volony, marimarina ny endriny, manifinify ny

molony. Ingahy Rabeso kosa dia tena ratsy tarehy mihitsy: lava be mtsilotsilo ny

volombavany, montomontotra ny masony, ngezabe ny hatony, ngezabe ny sandriny, ngezabe

ny ravin-tsofiny, ngezabe ny velaran’ny sorony, ngezabe ny kibony.

LA VELADA DE LA EXHUMACIÓN
Para mi hermana y yo era una tortura ir al carnicero Don Rabeso al centro del pueblo de

Ambohimangidy, donde vivíamos. Había carne dos veces por semana en su carnicería.

No sabíamos por qué Don Rabeso nos odiaba. Tampoco le amábamos con sus ojos

rojos, su cara arrugada, su voz ensordecedora y gruñendo siempre. No le gustaba que

tocáramos con las manos la carne, bastaba con decirle lo que queríamos comprar si no nos

pegaba las manos con la cola de buey que le servía de mata-moscas. Mientras que los demás

clientes removían de todos los lados la carne. También, nos recibía siempre por último.

Nos quejábamos a abuela de la atitud de Don Rabeso cada vez más que regresábamos

de su carnicería pero sólo se reía. Un día mientras que reyó como solía hacer, le preguntamos.

¡Puf!, me acuerdo de una vieja historia, y es lo que me hace reír.

Mi hermana y yo nos preguntábamos si: “¿quizás, Don Rabeso pidió la mano de abuela

y ella no aceptó, por eso nos odiaba?”

Afortunadamente, nos decíamos, que abuela no aceptó porque eso no era conveniente:

abuela era guapa, con cabello liso, tenía una cara radiante de alegría, sus labios eran finos.

Mientras que Don Rabeso era tan feo, tenía: barba larguísima y tan deshilada, ojos oscuros,

larguísimo cuello, larguísimos brazos, grandísimas orejas, larguísimos hombros y era

barrigudo.
Fanaonay ankizy eny ambanivohitra ny mangala-paiso na voasary. Ao an-kady

manodidina ny tampón-tanàna iny dia mavomavo ery ny voasary efa matoy mitarotaroka

mavesatra eny amin’ny rantsany, mampitelin-drora. Asian’ny tompony kalo ihany ny

ankabetsahany, kanefa, anaovanay vivery lava izao ny firotsahana eny. Indray takariva dia

nanao kinanga nandrirotra voany iray avy izahay mirahavay, kanjo re ka tsipalotr’Ingahy

Rabeso – ny sahany rahateo izy ity – noenjehiny izahay, ny rambon’omby fiarovany lalitra

eny an-tanany ihany. Nilomay nandositra izahay mirahavavy ary abna vao tonga tany an-

trano. Tafavoaka hitazana izay mampandositra anay toy izao i Nenibe ka raha vao naita

an’Ingahy Rabeso dia lokiloky fatratra. Mainka nisondrotra ny fahatezeran’Ingahy Rabeso,

niefonefona nailaza tamin’i Nenibe izy mba tsy hampividy laoka anay eny aminy intsony.

Asanao, hoy i Nenibe loky ihany, ny hena amidinao aza tsy tianao ho lafo? Aleo lo toy
izay ho an-kavana.

Havana taiza? Hoy Ingahy Rabeso kendakenda…

Izay i Nenibe vao nitantara taminay ny zava-niseho indray famadihana izay:

Vory lanona ny iray tanàna sy ny manodidina fa namadi-drazana tao amin-dry Nenibe.

Famadihana malaza, namonoana omby sy kisoa matavy ary notongavan’ny mpihira gasy

fanantsilahy roa tonta. Maro be by mpiandry razana tamin’ny alina ary satria moa alin-

dririnina dia nitangorongorona tao an’efitra ambany sy tao an-dalantsara ny olona rehetra

rehefa afaka kelikely ny mamatonalina fa namirifiry fatratra. Nitakokokoko sy be sarom-bava

avokoa, nitombina teny amin’ny tsihy hisatra vao novelarina.

Ny razana dia napetraka tao ambany lavarangana ambony lampihazo ary ny lehilahy

sasantsasany dia tsy niala tao ambany lavarangana fandrao misy mpamosavy.
Nosotros, los hijos del campo, nos acostumbrábamos a robar perras o naranjas en el

campo de los vecinos. La mayoría de esos campos eran protegidos por un esperpento

envenenado, pero no nos importaba. Una tarde, mi hermana e yo nos pusimos en riesgo

arrancando cada una, una naranja pero Don Rabeso nos divisó desde lejos –porque era su

campo– y nos persiguió, con la cola de buey en mano. Huimos a todo correr hasta la casa

ahogándonos, abuela salió en el patio para ver lo que ocurrió pero al ver a Don Rabeso se

puso a reír de tanto modo que la cólera de ese último se intensificó diciendo con furor a

abuela que no nos mandara más en su carnicería.

Después, abuela nos contó lo ocurrido en una exhumación ya hacía mucho tiempo.

Los aldeanos se reunían en una exhumación que la familia de abuela organizaba. Era

una famosa exhumación en qua se mataba bueyes y cerdos gordos, con dos grupos de

“Mpihira gasy” famoso. Muchos de los aldeanos asistían a la velada de la exhumación en

aquella noche, era una noche de invierno y hacía mucho frio, la gente se reagrupaban en el

piso bajo y en el pasillo, después de medianoche.

Los cadáveres de los antepasados eran instalados bajo la veranda en un tablado y los

hombres se quedaron allá por miedo de que las brujas jugaran con los cadáveres.
Ary rehefa vorivory moa dia mazàna lasa avokoa na resadresaka, na somonga isan-karazany,

na angano madinika, ampian’ny firedon’ny hira samy hafa.

Ingahy Rabeso dia anisan’ny tao an-dalatsara itsatohan’ny tohatra mankany ambony

rihana. Mbola tovolahy izy tamin’izany, kanefa, dia raikitra “Ingahy” sahady satria tsy

vitan’ny hoe vaventy, somary vaventy loatra fotsiny fa ingahirainay sahady teo amin’ny

fahazoana (mpivaro-kena fanta-daza sy nambinina izy). Lalina koa raha hahita izao karazana

tantara isan-karazany izao ingahy Rabeso ka manongilan-tsofina mihaino azy ny olona. Toy

ny azy irery ny fotoana indraidray fa basivava fatratra izy, ary milaza tena ho raindahiny

amin’ny famolahana omby, ny fisakanana mpamosavy, ny fisamborana mpihady fasana sy ny

sisa… anisan’izay nampihorika ny mpihaino ny fitomnan-dahiny fahiny izy tany an-tSakalava

nanao dabok’andro, izany nampiparitahany ny andian-jirika saika handroba ny omby, fa raha

ndeha ho vaky handositra ireo tafaraka taminy dia izy irey kosa, hono, no nifototra nanao izay

handresena ny fahavalo na dia lefom-pohy moja aza no teny an-tanany. “rikoriko tanteraka

aho, lehiretsy, hoy izy nihifikifika, raha nahita ireto namako miamboho lehilahy an-kitsirano

izao!”.

Fa raha ilay variana nahaino azy iny ny olona rehetra teo dia indray nitopy ny maso ka

nivandraka ny ery an-tampon’ny fiolanhan’ny tohatra lankany ambony rihana, satria… nijoro

teo ny razana iray mifono tsihy! Ankona avokoa aloha vao samy nihiaka sy nilomay

nandositra hivoaka any an-tokotany. Ny avy any alatrano kosa nibosesika hijery izay manjo

ny ato an-trano fa maso moa adala!


A menudo, en esas reuniones se oían charlas, pequeños cuentos, o se hacían bromas de

todo tipo, con la resonancia de diferentes canciones.

Don Rabeso era de los quienes estaban en el pasillo donde había la escalera que llevaba

al primer piso de la casa. Todavía era muy joven pero todo el mundo le llamaba “Don” no

sólo por la grandeza de su cuerpo, un cuerpo demasiado grande, sino también por su estatuto

social (era un rico y famoso carnicero). Don Rabeso era hábil en narrar anécdotas y los demás

le escuchaban con mucha atención. Se venteaba por su valentía en la dominación de bueyes,

la caza de las brujas, la detención de ladrón de esqueletos humanos, etc.…lo que suscitaba en

particular la aclamación de los oyentes era su hazaña en el pueblo de Sakalava donde criaba

bueyes gordos, se combatía solo contra los “Dahalo” quienes querían robar sus bueyes, decía

Don Rabeso: “daba asco totalmente al ver mis amigos que se huían dejándome solo con los

enemigos”.

Pero al seguir escuchándole, los oyentes percibió de repente en la escalera… uno de los

cadáveres se quedó de pie envuelto por una estera. Se quedaron un instante boquiabiertas

antes de gritar y salir fuera. En cuanto a los que estaban en el patio se atropellaron a entrar

para ver lo que ocurrió.


Vonjy aina ity ka niara-nifanesika tamin’ny mpandositra koa Ingahy Rabeso, nefa

nahagaga fa tsy tafavoaka mihitsy izy fa niraika miankavia miankavanana fotsiny. Vaventy

angaha ka tsy mba kingkinga toy ny namanay? Nidina zana-tohatra iray indray ity razana

mifono tsihy ka mainka nihiakan’ ny tahotra ny olona rehetra. Fisavoritahana tsy nisy

ohatran’izany! Tamin’izay dia voatosika ny jiro teo an-tohatra ka nilelalela ny olona niantso

“vonjeo”…

Fa loky ny hehy mafy indrindra ny dadabeanareo ka nanala ny tsihy nifonosany ary

nilaza hoe: “hay ianareo tena saro-tahotra mihitsy?”.

Nisafoakan’ny fahatezerana Ingahy Rabeso nony nahalala ny feon’ny dadabeanareo.

Hay izy ty manao somonga ratsy etsy an-tohatra? Nisampotina nanatrika an’ny dadabeanareo

izy, nandrehatra ilay jiro niongana ny lehilahy iray ary tamin’izay no nahitana fa inty Ingahy

Rabeso mamonkin-totohondry no sady miteny kendakenda hoe: “hay ialahy io?” – fa nifanao

ialahy izy roa satria mpisakaiza tokoa – maika nihomehy i Dadabeanareo: “hay ialahy tena

kanosa?”, hoy izy. Tsy nahatsindry fo ingahy Rabeso ka kihiaka lotika dia lotika:

-midina ialahy fa fara-andron’ialahy anio!

Taitra ny olona naita ny fiovan-javatra ka samy nanony an’ingahy Rabeso avokoa sady

naniny azy ho olona tsy nahalala sangisangy. Nefa, ny fo rano mafana ka rahefa mandevy dia

sarotra ampangatsiahina. Nahavoaka fitenenana tsy voahevitra ingahy Rabeso ka nitsiatsiatra

tsy faly taminy ny olona refetra. Nony hitany fa niandany tamin’i Dadabeanareo ireto

mpiandry razana dia nivoaka nankany ivelany izy, lasa nody ary ny ampitso dia nanatrika ny

fanitrihana akory.
Aun Don Rabeso se atropellaban con los demás para huir pero no lograba salir de la

casa, sólo se precipitaba de la izquierda a la derecha sin encontrar su dirección, quizás fuera

por la grandeza de su cuerpo no podía ser hábil como los demás.

El cadáver envuelto por la estera bajaba un escalón de nuevo, la gente estaba panicada,

derribando la lámpara en la escalera, que se oían gritos de “¡socorro!”

Pero vuestro abuelo reía tanto quitando la estera que le envolvía, decía: “¡hombre, sois

verdaderamente miedosos!”

Don Rabeso estaba muy enfadado cuando reconocía la voz de vuestro abuelo. Se

embrollaba frente a vuestro abuelo, cuando un hombre encendía la lámpara caída constataba

que don Rabeso apretó los puñados, decía con una voz amortiguada, “¿eres tú?”. Pero vuestro

abuelo seguía riendo, decía “¿eres verdaderamente miedoso?” y Don Rabeso le gritaba “bájate

de allá, voy a matarte!”.

La gente estaba sorprendida viendo la cólera de Don Rabeso y le calmaba. Pero era tan

furioso que no había medido sus palabras. La gente, decepcionada por la reacción de Don

Rabeso, decidía dar razón a vuestro abuelo. Contrariado Don Rabeso se fue y el día siguiente

no asistió a la exhumación.
Nifona taminy i Dadabeanareo taty aoriana, nitady hamitram-pihavanana, kanefa, tsy

azo nivalozana ingahy Rabeso. Ary tandremo hoy i Nenibe nametraka ny fanondrony teo

amin’ny molony, fa zava-tsy tiany indrindra ny mihomehy eo imasony satria heveriny fa

mihomehy azy noho iny tantaran’ny fiandrasan-drazana nisy matoatoa iny!

Samy loky izahay telo mianaka teto…

(Aprily 1965)
Más tarde, vuestro abuelo le pidió perdón para reconciliarse, pero Don Rabeso,

rencoroso como lo era no aceptó. ¡Cuidado, decía abuela -poniendo su índice en sus labios-

Don Rabeso no quiere que se rían ante él, porque cree que es una ironía hacia él por lo pasado

en esa velada donde había fantasma!

Nos reímos juntas…

(Abril 1965)

También podría gustarte