Está en la página 1de 2

DARAFIFY

 (hoaodina  ho  horonam-­‐peo  3mn)  


Angano  avy  any  amin’ny  faritra  afovoan-­‐tanin’i  Madagasikara  
 
Feon-­‐kira,  rivodrivotra  
Indray  andro  hono  ,  rankizy  ,  araka  ny  angano  tantaraina  dia  nisy  olona  goavambe  sady  
lava  be  tany  amin’ny  faritra  atsinanan’i  Madagasikara.  Manaka-­‐danitra  ny  haavony.  
Darafify  na  Rapeto  no  anarany.  
Miverina  ny  onjan-­‐dranomasina  rehefa    tsofiny  amin’ny  vava.  Mahadingana  havoana  
maro  izy  raha  mitsambikina  indray  mandeha  monja.  Tsy  tia  misetrasetra  anefa  izy  
amin’izany.  
 
Feon’angely  
Io  i  Darafify  fa  mikirakira  ny  habakabaka.  
Indray  alina,  niteny  taminy  ny  vadiny  nanao  hoe  :    
«  Mba  alaivo  ho  ahy  iry  volana  ambony  iry  »  .  
Tia  ny  vadiny  loatra  i  Darafify  ka  notoarany  (  nalainy  )  ny  volana.  
Tsy  voahazony  anefa  ny  volana  ka  latsaka  tety  an-­‐tany.  Nandoro  ireo  ala  marobe.  
Manomboka  ny  feon’ny  afo  
Taitra  sady  tezitra  ny  olona  nahita  ireo  ala  may,  ka  velon-­‐dresaka  nanoloana  izany.  
 
Mihamiredareda  ny  afo,  manomboka  mimenomenona  ny  iray  tanàna  
Fa  raha  mbola  variana  niady  hevitra  amin’izay  tokony  hatao  teo,  hono  rankizy,  ny  olona,  
dia  nandrava  ny  afo  :  dangy  ny  varika,  fongana  ny  tana,  maty  ny  sokatra.  
Niitatra  ny  afo,  may  ny  trano  sy  ny  zavatra  rehetra  tao,  ripaka  ny  omby,  ny  kisoa  ary  ny  
akoho,  kila  ny  sahany  bageda  (  vomanga)  sy    ny  sahan’anana,  lasa  lavenona  ny  ala,  
naloto  ny  rano.  
Hazo  iray  mahitsy  sy  mijoalajoala  sisa  no  mijoro  hitan’ny  olona.  Nambaran’izy  ireo  fa  
hampidi-­‐doza  ity  hazo  goavambe,  ka  tsy  maintsy  kapaina.  
 
«  Hampidi-­‐doza  ity  hazo  goavam-­‐be  tavely  farany  ity,  
fa  aleo  hokapaina  zy  zalahy  a  !    
Ndao  haka  famaky  e  !!!  alaivo  daholo  izay  zava-­‐maranitra  any  e  !!!  »  
 
Dia  niparitaka,  hono,  ireo  tafavory  teo.  Ary  vetivety  foana  dia  tafaverina  daholo  niaraka  
tamin’ny  famakiny  avy.  Nisy  aza  nitondra  kalaza.    
Feon  olona  marobe  ,feona  famaky  mitsatoka  amin’ilay  hazobe  
Novangoin’ny  olona  tamin’ny  famaky  ilay  hazo  be  ka  nibananàka  ny  rian-­‐kazo,  manopy  
mena  toy  ny  rà.  
 
Taitra  sy  gaga  ny  olona  :    
«  Dia  hitanareo  @  izao  fa  hazo  loza  ity  e,  menamena  tahaka  ny  rà  ny  any  anatiny  ».  
 
Raiki-­‐tahotra  ny  olona.  Maro  ireo  nilefa.  Nisy  ihany  anefa  i  reo  natanja-­‐tsaina,  ka  niantso  
ireo  nitsoaka  mba  hiverina.  Tsy  maintsy  alavo,  hono,  ny  hazo  mitondra  loza.  
Mihidy  vazana  ny  sasany  eo  am-­‐pandavoana  tanteraka    ilay  hazo  loza.  
 
Rehefa  ela  nonovokovohana  teo  ny  rehetra  dia  nianjera  ilay  hazo  goavambe.  
Feon  ilay  hazobe  midaraboka  amin’ny  tany  
AAAAAOOOOO  !!!!!  AHHHHHH  !!!!!!  
Izay  vao  tsapan-­‐dry  zareo  fa  i  Darafify  ity  fa  tsy  hazo.  
Nidaraboka  tamin’ny  tany  izy  ka  faly  ny  olona.  Nivalampatra  teny  an-­‐tapon-­‐tanetty  
ngazana  i  Darafify.  
Fa  ny  ràni  Darafify  kosa,  hono,  tsy  nitsahatra  niboiboika,  ka  lasa  zezika.  Nanamasaka  
ireo  tany  ngazana  ny  rany  ary  nampitsiry  tsikelikely  ireo  hazo  maro  samihafa.  Dia  
nandrobona  be  ny  hazo  tamin’iny  faritra  atsinanana  iny  taty  aoriana,  ka  nahatonga  ilay  
fitenenana  taloha  hoe  :    
«  Tsy  hahalany  ny  alan’atsinanana  rahoviana  ».  
 
Angano,  angano  ,  arira,  arira  !  
Izaho  mpitantara,  ianareo  mpihaino  !  
 
 
 
Tantara  :  Eric  Ravalisoa  
©ONG  Madagasikara  Namako  

También podría gustarte